Fisamboram-bola : Tsy tratry ny TVA 20% ny olon-tsotra

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, natao tany Sainte-Marie, ny alakamisy 10 jolay teo, ny fampiharana ny hetra TVA tataovana 20% amin’ny zana-bola amin’ireo mpindram-bola. Nanome toromarika anefa ny Filohan’ny Repoblika, fa tsy voakasiky ny fampiharana ity hetra ity ny olon-tsotra, mindram-bola ho an’ny fandaniana tsotra (crédit à la consommation) sy ny findramam-bola madinika na mikraofinansa.

Marihina fa efa nisy hatramin’izay ny tataon-ketra TVA 20%, saingy tsy nihatra. Satria nisy ny fepetra fanalefahan-ketra nanomboka ny taona 2006, ka izao naverina amin’ny laoniny izao. Misy ny fampahafantarana (circulaire) mamaritra ny toromarika nomen’ny filohan’ny Repoblika, izay manan-kery avy hatrany taorian’ity fankatoavana nataon’ny filankevitry ny minisitra farany teo ity. Anisan’ny voakasik’ity hetra TVA ity ny findramam-bola ataon’ny orinasa, na ny mpampiasa vola. Angonin’ny banky ny hetra ary aloany any amin’ny fanjakana avy eo.

 

Njaka A.

Partager sur: