Teknolojia avo lenta: Tonga eto amintsika ny fitaovana ERBA

Miroborobo ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny sehatry ny fitsaboana. Tonga eto Madagasikara ny orinasa Proximed LTD sy ny ERBA, manana ny foibeny atsy amin’ny Nosy Maorisy. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Natolotra ny 10 sy ny 11 jolay teo, ny vina sy ny tanjona hoentin’ireto orinasa ireto. Iombonan’ireto orinasa ireto ny hampiakarana ny kalitaon’ny fitsaboana amin’ny alalan’ny teknolojia avo lenta, izay zava-dehibe amin’ny toekarena ara-pahasalamana.
Anisan’ny nisongadina ny fampahafantarana ny zava-baovao, ny lafiny teknolojia hiaka farany amin’ny sehatry ny fitiliana ara-pahasalamana.
Nampahafantarina ny vokatra ERBA, ny lafiny teknika ary teo koa ny fifanakalozana eo amin’ireo ekipa avy amin’ny Proximed LTD. Anisan’ny nitondra fanazavana nandritra ny fotoana ny orinasa Abbott, mahakasika ny fandrosoan’ny fitiliana marina amin’izao fotoana izao. Nifantoka tamin’ny tohitry ny VIH amin’ny fanafody, kosa, ny Thermo Fisher Scientific. Tanjona ny hanamafisana ny fahafahana mamita ny fitiliana marina sy ara-potoana amin’ny lafiny fitsaboana eto Madagasikara.
Nanatrika teny an-toerana, ny minisitry ny Fahasalamana, ny Pr. Randriamanatany Zely Arivelo. Nambarany fa efa ampiasaina any amin’ny toeram-pitsaboana maro any amin’ny faritra ny fitaovana ERBA.

Njaka A.

Partager sur: