SADC: Apetraka ny rafitra stratejika indostrialy

Hatao eto amintsika, ny 28 jolay hatramin’ny 1 aogositra, ny « Herinandron’ny indostria ». Fotoana handinihina ny fampandrosoana ny indostria aty Afrika. Hojerena manokana mandritra io fotoana io ny fampitomboana ny fiaraha-miasa, ny fifampizaran-kevitra ary hanamafisana ny fiovana ara-toekarena. Tanjona ny hametrahana ny paikady “Sadc industrialization Stratégie and Roadmap 2015-2063”, hanentanana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina, akademika ary ny va­hoaka. Hirosoana ny fiaraha-miasa stratejika hamoronana rojom-pihariana iraisana (CVR), toy ny fanafody, ny harena an-kibon’ny tany, ny sakafo, sns. Kendrena koa ny hamolavolana drafitrasa, sy ny hananganana vovonana hiasan’ny sehatra tsy miankina. Hisy ny fifanakalozana eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka, mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, ny indostrian’ny fambolena, ny fanafody.
Hodinihina ny fifindrana amin’ny angovo madio sy maharitra, ny fampiroboroboana ny toekarena mikajy ny tontolo iainana. Eo koa ny fandraharahan’ny tanora hampandroso ny toekarena sy ny hanamorana ny fifanakalozana malalaka ara-barotra aty Afrika (ZLECAF).

Henintsoa

Partager sur: