Hifarana ny 31 jolay izao ny fotoam-piasan’ny tale jeneraly (DG) ny kaompania Madagascar Airlines, Thierry de Bailleul, araka ny nampahafantarin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa. Na izany, mbola dinihina ny mety ho hanavaozana izany. Nanamafisan’ny filankevi-pitantanana tao anatin’ny fanambarana nataony fa mitohy hatrany ny fanatanterahana ny drafitrasa Phénix 2030. Hamafisina hatrany ihany koa ireo ezaka sy asa efa vita. Tafiditra ao anatin’
izany ny fanavaozana sy ny fanatsarana ny tolotra natao tao anatin’ny taona vitsy. Ankoatra izay, hirosoana tanteraka ny fanavaozana tsikelikely ny fiaramanidina ampiasainy, ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena, ny fampiasana ny teknolojia niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ary fanatsarana ny seranam-piaramanidina Ivato. Mbola Manankery ihany koa ireo fifanaraham-piaraha-miasa ara-barotra sy amin’ireo andrim-panjakana samihafa iarahan’ny kaompania Madagascar Airlines. Vonona hanohy ny tsara sy hanao ny ezaka rehetra ihany koa ny ekipan’ny orinasa hanatrarana ny tanjona sy ny vinan’ny kaompania, indrindra hanatsarana ny fitantanana. Ankilany, vonona hanatratra ny vinan’asa sy hanarina ny kaompania hatrany ny orinasa Madagascar Airlines.
Henintsoa




