Red Circle: Navondron’ny Airtel ireo mpisehatra niomerika

Naneho ny maha mpiara-miombon’antoka amin’ireo orinasa vonona hampivoatra ny tontolon’ny niomerika ny Airtel Business. Nampahafantarin’ ny sampana fandraharahana, Airtel Business, tamin’ny fom­ba ofisialy ny 24 jona teo, ny vovonana Red Circle. Sehatra iray hivondronan’ny mpitarika, ny mpandraharaha ary ny mpanapa-kevitra, izay mitovy tanjona. Hampifandraisana ny faharanitan-tsaina, ny fanadihadiana ary ny vina hampandrosoana ny lafiny niomerika, ankehitriny mizotra mankany amin’ny hoavy.
Nohazavain-dRandria­manana Santatriniaina, tale ny Airtel Business, fa « mifototra amin’ny andry telo lehibe ny Red Circle. Ny fifandraisana, ny fikarohana zava-baovao ary ny fifampizarana. Ao anatin’izany ny fampifandraisana ny talenta, ny hevitra, ny va­haolana, ny zava-baovao entin’ny tsirairay, ny fifampizarana ny fanadihadiana, ny zavatra manan-danja ary ny fahasahiana. Satria ny fampifandraisana an’ireo mpitarika amin’izao fotoana izao no mamolavola ny niomerika. Fanoitra lehibe ho an’ny fiaraha-miasan’ireo mpisehatra rehetra ny Red Circle ».
Nanatrika ny fampahafantarana ity vovonana ity ireo Malagasy mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraharahana isan-tsokajiny.

Njaka A.

Partager sur: