Angovo maitso : Hamoraina ny fahazoana ny fitaovana

Mifototra amin’ny angovo maitso, madio sy azo havao­zina ny fampandrosoana ma­haritra. Hanatrarana izany, miara-miombon’antoka ny orinasa Solarmax sy ny Sipem Banque, manamora ny fisitrahan’ny rehetra ny fitaovana sy ny kojakoja ahazoana herinaratra avy amin’ny masoandro, vidiana tsikelikely. Ao anatin’ izany ny takelaka misintona ny herin’ny masoandro, ny vata manova tanjaka (convertisseurs), ny mpandrindra ny tanjaka, ny bateria, ny fitaovam-piarovana, ny kojakoja manolo ny delestazy, sns. Ma­nomboka enim-bolana hatramin’ny 48 volana ny fotoana handoavana tsikelikely ny vidiny. Nilaza ny talen’ny serasera ivelany ao amin’ny Sipem Banque, Randrianarison He­nintsoa, fa anisan’ny voalohany amin’ny fampiroboroboana ny angovo maitso izy ireo.
Manamafy izany ny tomponandraikitry ny Solarmax, Ranjanahary Miharisoa, fa efa mirona any amin’ny findramam-bola maitso, ankehitriny, ny ankamaroan’ny mpandraharaha. Hamaha ny olana amin’ny lafiny ara-bola, mba ho takatry ny rehetra, ny olon-tsotra, ny mpandraharaha ma­dinika sy salantsalany (PME), ny fikambanana, ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana, sns, ity fiaraha-miombon’antoka amin’ny Sipem ity. Tombony ho an’ny mpanjifa ny vokatra azo antoka, tsara kalitao, sady maharitra. Hita eny Andraharo sy ao amin’ny Tana Water Front ny tranombarotra Solarmax.

Njaka A.

Partager sur: