Nanokatra ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (Fer) Atsimo Andrefana, ny 17-18 jolay, tany Toliara, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MDAT), Andriantsitohaina Naina. Izy rahateo no mpiahy ny faritra Atsimo Andrefana.
Notsipihiny manokana fa « araka ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, tsy misy kaominina, na distrika, na faritra ho hadino. Hampiroborobo ny fifandraisana ara-toekarena ho an’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany vaventy, toy ny Base Toliara, ohatra, sy ny seha-pihariana hafa ity fihaonambe andiany faharoa, mandritra ny roa andro ity. Sady hamelomana ny toekerana ifotony sy ho an’ ny faritra. Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny manosika ny faritra sy ny kaominina mba hivoatra. Mihaona mivantana ny sehatra rehetra amin’ny alalan’ny harena an-kibon’ny tany, toy ny jono, ny fambolena, ny fizahantany, sns. Efa ela ireo harena ireo no teo, hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena. Hita aty an-toerana ny tetikasa maro, mampivelatra sy mitondra fampandrosoana ny tetikasa samihafa, toy ny Mionjo, ny Pic, sns. Mila hampiana ny traikefan’ny olona satria ilaina ny fahaizana ».
Avy any Atsimo ny fampandrosoana
Nilaza ny minisitry ny Jono (MPEB), Mahantante Paubert, fa mifameno ny velontenan’ny mponina any Atsimo Andrefana. Dia ny jono madinika, ny fiompiana janga (cocombre de mer), ny fambolena lomotra, sns. Manaporofo ny tenin’ny filoham-pirenena ireo, fa avy aty Atsimo ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Ho an’ny minisitry ny Fizahantany sy ny taozavatra (MTA), Dewa Viviane, malaza amin’ny fizahantany i Toliara, manana morontsiraka 350 km. Eo am-pikarakarana hanitarana ny seranam-piaramanidina ny fanjakana. Hapetraka ny zotram-piaramanidina, toy ny mampifandray amin’i Afrika Atsimo, La Réunion, Mayotte, sns. Misy mpandraharaha avy any Nosy Be vonona handraharaha any Toliara.
Notsorin’ny governora Ranoelison Tovondrainy, fa velom-panantenana ny Atsimo Andrefana fa tsy maintsy mandroso manoloana ireo rehetra ireo.
Njaka Andriantefiarinesy




