Dinika teny Iavoloha : Mijanona ho fananan’ny fanjakana ny Jirama

Nidinika teny Iavoloha, omaly, ny filoha Rajoelina Andry sy ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama. Nivoitra tamin’izany fa mijanona ho fananan’ny fanjakana ny orinasa, tsy hisy ny fandroahana mpiasa.

Nitondra fanazavana ny filoha Rajoelina Andry mba hialan’ny ahiahin’ ny mpiasan’ny Jirama. Ny fanovana ny sata tsy midika ho fisintahan’ny fanjakana ao amin’ny Jirama. Mitazona ny petra-bola 100% ny fanjakana ary tsy misy mihitsy ny eritre­ritra hampiditra tompona petra-bola (actionnaires) hafa. «Hamafisiko, laharam-pahamehako ny famahana ny olan’ny Jirama», hoy ihany izy. Misy ny ezaka tsy maintsy iarahan’ny rehetra, ka izay no nanaovana mazava ny drafi-panarenana, niarahana tamin’ny mpamatsy vola amin’ny maha orinasa miasa ho an’ny vahoaka azy.
Nisy ny fanazavana no­men’ny filoham-pirenena mahakasika ny lafiny teknika sy ara-bola sasany. Tafa­hoatra amin’ny fandaniana ny fampiasana ny gropy termika raha oharina amin’ny vola miditra amin’ny Jirama. Tsy maintsy raisina ny fepetra rehetra hanafoanana ny fati­antoka ara-bola. Very 29% ny angovo vokarina satria antitra ny fitaovana mitatitra herina­ratra.

Fatiantoka 100 miliara Ar isam-bolana

Mahatratra 12 miliara Ar isam-bolana ny fatiantoka amin’ny famokarana ampiasana gropy. Mitentina 4 cents dolara (100 cents= 1 dolara) isaky ny 1kwh ny hofan’ny gropy, ary 25 na 26 cents vi­din’ny litatry ny gazoala. Izany hoe, tafakatra 27-40 cents/ kwh ny masonkarena, nefa 10 cents/kwh ny hivarotana azy amin’ny mpanjifa. Rehefa natao ny fanadihadiana (audit) ny Jirama, mahatratra 80-100 miliara Ar isam-bolana ny fatiantoka.
Manampy ireo, ny halatra solika ao anatin’ny Jirama. Toy ny tany Mahajanga, An­tsiranana, …, nahitana fiarabe 10 sy 3, tsy hita, izay mampitombo ny delestazy. Tsy mitovy ny solika mavesatra nozaraina sy ny fatran’ny vokatra (kwh) tokony hivoaka, sns.
Iarahana amin’ny mpitantana ny Jirama, ny minisiteran’ny Angovo, ny ao amin’ny Toekarena sy ny tetibola sy ny hafa ny mikaroka ny vahaolana hanarenana ity orinasam-panjakana ity.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: