Miisa 5 ny tena andraikitry ny filoha Rajoelina Andry, hitarika ny Sadc, manomboka amin’ny aogositra 2025. Mitarika ny asan’ny fihaonana an-tampony. Mamaritra ny laharam-pahamehan’ny Sadc. Misolo tena ny Sadc sy ny mpikambana any amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena. Mandrindra ny asan’ny Troïka. Manara-maso ny fandaharanasa.
Mitentina 3,5 tapitrisa dolara ny tetikasa hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, sy hiadiana amin’ny herisetra any Ambovombe Androy. Vola avy amin’ny Tahirimbolan’ny firenena Mikambana hitandroana ny fandriampahalemana. Haharitra 3 taona ny tetikasa.
Miara-miasa i Madagasikara sy ny Korea Development Institute (KDI). Nohamafisina ny rojom-pamokarana. Toy ny vary, ny lavanila, jirofo ary ny kakao. Nohatsaraina ny fotodrafitrasa. Nampidirina ny karazana zavamaniry vaovao niarahana tamin’ny Fofifa.




