Atsimo Andrefana: Fanoitran’ny toekarena sy fampan­drosoana ny tetikasa Base Toliara

Nitondra fanazavana mahakasika ny tetikasa Base Toliara, nandritra ny fihaonambe FER, ireo mpitantana ny orinasa. Anisan’izany ny tombontsoa ara-toekarena entiny, ny asa aterany, ny fandraharahana, sns.

Niaraka namelabelatra ny asa fihariana ataony sy ny fiantraikany ara-toekarena, ny tale jeneraly ny Base Toliara, Ramahefarivo Jean Bruno, sy ny tale jeneraly ny Asa, Craig Thomas, omaly. Ho azy ireo, tsy manana eritreritra ny hamaha ny olana rehetra sosialy sy toekarena na ara-tontolo iainana ny orinasa. Fa kosa, manana vina ny ho fanoitra ara-toekarena sy ny fampandrosoana eto amin’ny firenena, ny faritra ary ny eny ifotony amin’ny alalan’ireo traikefa ananany. Nahazo ny loka ho voalohany amin’ny fitantanana ny tontolo iainana sy ny sosialy ny toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany any Kwalé Kenya, ny Base Ressources, sampan’orinasa ny Base Toliara. « Mety misy ny fahasamihafana isaky ny firenena, saingy vonona ny hampihatra ny traikefanay izay nahomby izahay », hoy ihany izy ireo.

Vola atokana ho an’ny sosialy sy fotodrafitrasa
Nampiakarina ho 900 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola raha 400 tapitrisa dolara izany tany am-boalohany, fony mbola Toliara Sands. Satria, mitombo ny fotodrafitrasa atao, mba hisorohana ny ahiahin’ny mponina. Sin­ganina amin’izany, ny hanorenana tetezana mirefy 630 metatra any Belalanda, ny hanaovana godirao ny lalana vaovao, mirefy 45 km, hitaterana ny vokatra mankany amin’ny fiantsonan’ny sambo, eny Andaboy, izay hananganana fotodrafitrasa misy tongony, mba hahafahan’ny sambon’ny mpanjono mandalo, sns.
Mahatratra 4 tapitrisa dolara isan-taona ny vola hatokana ho an’ny sosialy. Noma­rihiny fa tsy afaka hamaha ny olan’ny tsy fananan’asa ny tetikasa. Na izany aza, miisa 2 000 ny asa mivantana ho foronina amn’ny fotoan’ny fananganana fotodrafitrasa. Hahatratra 1 000 kosa ny mpiasa mivantana horaisina hiasa amin’ny fitrandrahana. Misy mandrakariva ny fanofanana ho azy ireo. Ho maro ny sehatra azon’ny mpandraharaha sy ny orinasa tsy miankina amin’ireo rehetra ireo, toy ny fanorenan-trano (BTP, ny fandokoana, ny fitaterana, ny fiambenana, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: