Fambolem-bary : Hanao ny tetikasa Rice ny Ambatovy sy ny Jica

Foto-tsakafon’ny Malagasy ny vary. Hanao ny tetikasa Rice ny orinasa Ambatovy, hanamafisana ny tombontsoa entin’ny asa ataony sy hametrahana ny fampandrosoana lovain-jafy any amin’ny faritra iasany. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy amin’ny masoivoho japoney, amin’ny alalan’ny Fiaraha-miasa iraisam-pireneny, Jica. Tanjona ny hanohanana ny sehatry ny fambolem-bary any amin’ny faritra Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Natao ny 15 jolay teo, tany Ranomafana Atsinanana, ny lanonana fanombohana ny tetikasa ho an’ny faritra Atsinanana.
Nilaza ny talen’ny Fampiasambola ho an’ny sosialy sy fanampiana ny mponina (DSICE) ao amin’Ambatovy, Nicolas Descraques, fa « tanteraka izao tetikasa izao, vokatry ny fiaraha-mientana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, ireo fikambanana ara-piarahamonina ary ireo tantsaha lahy sy vavy, izay mamelona sy miantoka sakafo ho an’i Madagasikara. Porofo mivaingana izao tetikasa izao, fa fototra iorenan’ny fampandrosoana marina ho an’ny faritra sy ho an’ny firenena manontolo ny fampiroboroboana ny fambolena ».

Njaka A.

Partager sur: