Toekarena manga: Hanampy amin’ny fitrandrahana ny Befsa

Hampiroborobo ny toekarena manga ny fametrahana ny “Compte satellite dans l’économie bleue” (Befsa) entina hampandrosoana ny harinkarena faobe sy hametrahana ny fampandrosoana maharitra ny fitrandrahana ny jono sy ny fiompiana anaty rano. Nivoitra izany nandritra ny fampahafantarana ity fitaovana vaovao ity, ny 17 jolay teo, tetsy amin’ny Carlton, Anosy. “Hama­ritra ny vidin’ny fitrandrahana sy ahafahana mijery ny harena an-dranomasina ananantsika ny Befsa, hamaritra ihany koa ny fampiasam-bola maharitra eo amin’ny jono sy ny toekarena manga”, hoy ny tale jeneralin’ny toekarena manga eo anivon’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, Rakotosoa Rado. Voarakotra ao anatin’izany avokoa ireo antontanisa samihafa mahakasika ny jono sy ny tontolo an-dranomasina ho fampandrosoana ny toekarena sy ny toekarena manga.
Ankoatra izay, hametraka ny anjara biriky ny jono eo amin’ny harinkarena faobe, ny sosialy, ny sehatry ny tontolo iainana ary ny fiompiana anaty rano ny Befsa. Hanam­py amin’ny fandraisana fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana izy ary tosika amin’ny fiantsoana ireo mpampiasa vola samihafa hisehatra bebe kokoa amin’ny sehatry ny jono eto amintsika. Maro ny tombony ho azon’i Mada­gasikara amin’ny fampiasana ny Befsa. Fantatra taorian’ny fanadihadiana fa hampakatra hatrany amin’ny 15% ny harinkarena faobe ny fandraisan’anjara ny jono ny fampiasana ity fitaovana vaovao ity, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Apetraka aorian’ny fivorian’ireo kaomity sy teknisianina mpanantanteraka ny tondrozotra hamaritana ny fomba fiasa sy ny vokatra azo, ny andraikitry ny mpisehatra tsirairay ary ny handrindrana ny fampiasam-bola lovainjafy ny tetikasa.

Henintsoa

Partager sur: