Niverina ny delestazy maharitra adiny 3, amin’ny Tambajotra iraisan’Antananarivo sy ny manodidina (RIA), nanomboka omaly. Antony, mihena ny haavon’ny rano any Andekaleka, tsy ampy ny vokatra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Tsy mamokatra ny toby Vestop Antsirabe. Ny 11 jolay no nisy filazana delestazy farany nataon’ny Jirama.
Vita ny 72% ny fanorenana ny birao vaovaon’ny Dredd Androy, any Ambovombe. Fiaraha-miasan’ny tetikasa Mionjo sy ny minisitera Medd no nanatanterahina azy. Mampiavaka azy ny fampiasana angovo madio mamatsy ny herinaratra, sady ahitana fitaovana fanangonana ranonorana, hamatsiana ny rano ho an’ny birao.
Hanohana ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny African Legal Support Facility (ALSF). Voakasik’izany ny sehatry ny angovo, ny fotodrafitrasa, sns. Eo koa ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina (3P). Hisitraka izany ny teknisianina amin’ny andrimpanjakana misehatra ny famokarana angovo sy ny fotodrafitrasa.




