RSE : Nankalaza ny Mandela Day ny Airtel

Ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena azy, manana andraikitra amin’ny asa sosialy eo amin’ny fiarahamonina (RSE) koa ny Airtel. Niara-niombon’antoka ny orinasa sy ny masoivohon’i Afrika Atsimo, nankalaza ny Andro iraisam-pirenena Mandela, ny zoma 18 jolay teo. Nizarana boky ny zaza tsy ampy taona, tazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora. Entina hanamafisana ny fahaizan’izy ireo mamaky teny sy hampitomboana ny fahalalany. Nomena fanampiana ara-tsakafo ihany koa izy ireo.
Nilaza ny talen’ny tsena Airtel, Théophile Mpondo, fa « mifono fanantenana izao fanolorana boky izao. Fanoitra lehibe hisorohana ny fanilikilihana ny hafa izany, sady ahafahan’ny tsirairay hanoritra ny hoaviny avy ». Hamafisin’ny Airtel fa eo am-pelatanan’ny tsirairay ny fananganana fiaraha-monina marina, mijery ny maha olona sy miray hina.
Andro nahaterahan’i Nelson Mandela ny 18 jolay. Entanina hanokana 67 minitra ny rehetra hanao asa tsara eo amin’ny fiarahamonina, hanomezan-danja ny fandriampahalemana, ny fandeferana ary ny marina.

Njaka A.

Partager sur: