Filana andavanandro : Tafakatra 5 000 Ar ny kilaon’ny lafarinina

Mandalo fahasahiranana ny entana ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro. Niaka-bidy ny lafarinina sy ny sira.

Anisan’ireo entana eny am-pivarotana tena betsaka mampiasa, indrindra ho an’ireo olona tia ma­handro sy manendy, ny lafarinina. Tsy mitombina tsara ny vidin’izy io, araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo tsena eny Isotry, omaly. Misy amin’izy ireo no milaza fa miaka-midina ny fanjifana izany, amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao, efa mahatratra hatramin’ny
5 000 Ariary ny iray kilao amin’ izy ity, raha 3 600 Ariary izany teo aloha.

Milaza ny mpivarotra iray teny an-toerana fa tsy dia ahitana firy intsony ny lafarinina amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ireo mpamatsy azy. « Tsy dia misy intsony izy ireny. Tany aloha aho, naka 50 kitapo, dia omen’izy ireo an’io isa io. Ankehitriny nefa, lasa voafetra ihany no omen’izy ireo. Zara raha mahazo 10 kitapo satria voafetra ihany ny entana azo  » hoy hatrany ity mpivarotra ity.

Araka izany, hita ha mandalo krizy ny resaka lafarinina eto Madagasikara. Manahy ihany ireto mpivarotra ireto fa mety hiova ny vidin’izany. Saingy, tsy fantatr’izy ireo na hidina indray izany na hiakatra.

Betsaka ny mpanjifa

Na dia eo aza ny fiovaovan’ ny vidin’ity vokatra ity, mbola maro ireo manjifa izany, araka ny filazan’ity mpivarotra ity. « Betsaka ny mpanjifa sy mbola maka ny entana, maro amin’ireo olona ety an-toerana no mivelona amin’ny fivaro­tana hani-masaka sy sakafo endasina, toy ny mofo anana sy mofo akondro ary mofogasy, saingy tsy maharaka izany ny eto aminay. » fanazavan’ity lehilahy iray mivarotra eny an-toerana ity ihany.

Tsara marihina fa tamin’ity taona ity, teo amin’ny 3 200 Ar isaky ny kilao, ny farany mora tamin’ny lafarinina ary izao efa niakatra ho 5 000 Ar izao.

Niakatra 1 000 Ar ny sira vaingana

Ankoatra izay, nahitana fia­karany, zato isan-jato be izao, ny kilaon’ny vaingan-tsira, araka ny fanazavana azo teny an-toerana ihany. Raha 500 Ariary ny kilao tany amin’ny telo volana lasa, ankehitriny, efa niova ho 1000 Ariary izany. Milaza ny tompon’ny tsena iray nohadihadiana fa somary nandalo krizy ihany koa ny sira vaingana teto an-dReni­vohitra teo aloha, saingy maro ny tsy mahafantatra izany.

« Tsy mahalala ny tena antony nampiakaran’ireo mpamatsy ny vidin’izy io izahay,
fa raha ny ny filazan’izy ireo, mandalo krizy ny sira teo aloha teo », tenin’ilay tompon-tsena iray teo Isotry ihany. Na dia eo anefa izany fiakarana izany, mandeha tokoa ny sira vaingana amin’izao ririnina izao, misy amin’ireo mikarakara fety toy ny famadihana sy ny fomba malagasy hafa, mbola manjifa izany. « Mbola mandeha aloha ny sira vaingana hatreto. Misy amin’ireo olona manao sakafo amin’ny famadihana na ny « vary be menaka » maka an’ireny sira vaingana ireny amin’izao ririnina izao. Mividy izany ihany koa ireo mpanao sakafo amin’ny famorana », fanazavana azo tamin’ilay tompon-tsena iray ihany.

Hamafisina fa tsy mbola niova ny vidin’ny sira vovony, fa voatazona ho 200 Ariary ihany ny iray « sachet », ary mbola 4 800 Ariary kosa ny kilaon’ny siramamy.

Fanadihadiana nataon’i Fitia Randria

Partager sur: