Nanomboka omaly hatramin’ny 25 jolay ho avy izao, eto Antananarivo, ny fivoriambe iraisam-pirenena ho an’ireo mpahay ny varika (IPS), andiany faha-30. Manodidina ny 600 ny mpandray anjara avy any amin’ny firenena miisa 50. Ahitana mpahay varika, mpikaroka momba ny tontolo iainana, hifanakalo hevitra sy traikefa manodidina ny varika sy ny hiarovana azy. Nilaza ny filohan’ny IPS am-perinasa, Ratsimbazafy Jonah, sady filohan’ny Gerp, fa “manan-danja tokoa ity fivoriana ity, satria mampiavaka an’i Madagasikara ny fananany karazana varika 112, izay tsy fahita raha tsy eto amintsika ny 20% ny varika maneran-tany. Tsy fivoriana toy ny mahazatra no atao, fa andrasana mihitsy ny hisian’ny vokatra azo tsapain-tanana”. Tapitra amin’ity taona ity ny fotoam-piasany, izay nahafa-po azy satria tsy nisy ny karazana varika ringana.
Nomarihiny fa tsindry mpahazo ny varika eto Madagasikara ny fahapotehan’ny fonenan’izy ireo. Tery ny velaran-tany ka tsy afaka mivalampatra izy ireo, lasa mitovy ny ra rehefa miteraka. Hampiroborobo ny fizahantany ny varika, satria ny fijerena azy ireny mivantana any anaty ala no tena ilain’ny mpizahatany. Tokony ho vitantsika Malagasy ny mampiroborobo azy, fa tsy ampahafirin’ny any Rwanda, izay tsy manana karazana varika afa-tsy 14. Toraka izany koa ny any Costa Rica, mahavita mampidi-bola hatrany amin’ny 4 miliara dolara vokatry ny fizahantany ara-tontolo iainana.
Nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, fa manan-danja ny mpikaroka, ary ataon’ny fanjakana vaindohan-draharaha ny fanohanana azy ireny, toy ireo nomena mari-pankasitrahana sy mariboninahitra.
Njaka A.




