Resy lahatra ny rehetra fa hampiroborobo ny seha-pihariana hafa, ny fisian’ny orinasa vaventy mitrandaka harena an-kibon’ny tany. Anisan’izany ny tetikasa Base Toliara.
Tapitra ny 18 jolay teo ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (FER), andiany faharoa tany Toliara. Lohahevitra noraisina ny hoe « Fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana, fampiroboroboana sy fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany sy ny seha-pihariana hafa ». Nahasarika olona maro ity hetsika ity, nahitana mpandray anjara maherin’ny 200 tamin’ny famelabelaran-kevitra. Nivoitra fa hanafaingana ny fampandrosoana ny fitrandrahana vaventy ny harena an-kibon’ny tany. Nisy ny orinasa tsy miankina mamatsy vokatra na koa manao tolotra ho an’ny Base, nijoro vavolombelona ny amin’ny tombontsoa azo.
Manan-karena sehatra hafa koa ny any Atsimo Andrefana, indrindra ny fizahantany. Nilaza ny minisitry ny Fizahantany sy ny taozavatra, Dewa Viviane, fa voalohany amin’ny fampidiram-bolam-panjakana ny fizahantany sy ny asa tanana. Mahakasika ny fitaterana ana habakabaka, nitombo ho in-6 isan-kerinandro ny zotra Emirates, raha 4 ny desambra 2024, ary intelo ny septambra 2024. Tafakatra in-17 isan-kerinandro kosa ny Ethiopian Airlines, raha in-11 teo aloha.
Eo koa ny seha-pihariana mahazatra toy ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ny famokarana indostrialy, sns. Nilaza ny governora Ranoelison Tovondrainy, fa « tena hitondra fampandrosoana any an-toerana ity fihaonambem-paritra ity ».
Njaka A.




