Mandroso ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN12A, mampitohy an’i Taolagnaro sy Vangaindrano. Misy koa ny fanamboarana tetezana hanoloana ny baka fiampitana.
Anisan’ny fotodrafitrasa goavana hatao koa ny fampifandraisana mivantana an’i Taolagnaro sy i Vangaindrano. Hatao godirao tanteraka ny lalana, izay mizara ampahany efatra, amin’ny ankapobeny, ny asa. Voalohany, ny Taolagnaro-Ebakika, mirefy 45 km, izay efa vita 70%. Nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Jean Théodore, ny orinasa CRCC, ny famitana ny ambiny ao anatin’ny 100 andro, izany hoe, amin’ny faran’ny volana oktobra 2025. Faharoa, ny Ebakika-Somisika (120 km). Efa tafapetraka ny toby hametrahana ny fitaovana sy ny fonenan’ny mpiasa. Hovitaina ny godirao, izay efa vita tamin’ny taona 2018 ny sosona voalohany (bicouche), mirefy 30 km.Vitaina ao anatin’ny 2 taona ny asa, izany hoe, amin’ ny taona 2026, araka ny fifanarahana. Mitaky ezaka sy fanaraha-maso akaiky izany satria maro ny tsy vita, araka ny toromariky ny minisitra.
Mitotaly 10 ny baka ho soloina
Fahatelo, ny lalana Somisika-Masianaka (35 km). Efa vita tanteraka, azo tokanana, ka tafiditra ao anatin’izany ny tetezana lehibe, mirefy 200 metatra. Voahaja ny fepetra ara-teknika sy ara-pitaovana rehetra. Fahefatra, ny lalana Masianaka-Vangaindrano. Eo am-panaovana ny fampitohizana ny fifamoivoizana. Manam-pikasana hanohizana ny fanamboarana tetezana mirefy 400 m ny orinasa, hasolo ny baka ao Masianaka. Mitotaly 10 ny baka hosoloina amin’ny lalam-pirenena RN12A.
Raha fintinina, kendrena ho vita manontolo amin’ny faran’ny taona 2027 ny asa rehetra. Koa, tsy maintsy ho hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny fanjakana, sady ilana ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Tafiditra ao anatin’ny Lalan’ny masoandro, nofaritan’ny filoha Rajoelina Andry ny RN12A, mampitohy ny tapany atsimo, ny atsinanana, hatrany avaratry ny Nosy.
Njaka Andriantefiarinesy




