Tetikasa Kopakelatra : Aina vaovao ho an’ny tavoahangy plastika

Manana ny andraikitra raisin’ny orinasa eo amin’ny so­sialy ny orinasa Star, ankoatra ny maha orinasa ara-toekarena sy indostrialy azy. Napetra­ka ny tetikasa Kopakelatra mi­fantoka amin’ny fitsinjovana ny tontolo iainana. Angonina ny tavoahangy plastika efa ni­asa, tsy anavahana marika, avadika ho vokatra vaovao azo ampiasaina indray amin’ny fiainana andavanandro. Mi­isa 133 ny vata fanangonana miparitaka any amin’ny toerana samihafa, iarahan’ny Star amin’ny mpiara-miombon’antoka.
Maromaro ny dingana arahina amin’ny fanodinana ny tavoahangy plastika efa niasa. Angonina, diovina, potsehina ary ahodina ho lasa vokatra vaovao. Mahatratra 5,4 tapitrisa isa, manodidina ny 156 taonina, no voaangona na­nomboka ny taona 2019, na­vadika ho potina plastika na koa karazana kofehy madinika atao anaty akanjo. Havadika ho akanjo, na bolongany rarivato fanao amin’ny tokotany (pavé, autobloquant), seza, latabatra, « doudoune », sns.

Toekarena maitso
Voahaja ny fenitra amin’ny fanodinana, manaja sy tsy mandoto ny tontolo iainana amin’ny famokarana ireo voalaza ireo. Hitarina any amin’ny faritra hafa ny toeram-panangonana ny tavoahangy plastika.
Manana anjara amin’ny la­finy toekarena ny fisian’ny fi­ha­riana toy izao. Satria, ma­moro­na sy manome asa ny ta­nora, nefa sady mikajy ny tontolo iainana, mirona any amin’ny atao hoe «Toekarena maitso».

Njaka A.

Partager sur: