50 taona ny Aro : Mitentina 194 miliara Ar ny vola kirakiraina

Tranom-piantohana lehibe indrindra eto Madagasikara ny Assurance Aro. Tanjony ny hidiran’ny Malagasy amin’ny sehatry ny fiantohana isan-karazany.

Niorina ny taona 1935 ny orinasa fiantohana « La Préservatrice », niova ho «Préservatrice Madaga­sikara» ny taona 1974. Tao­rian’ny nandraisan’ny fanjakana ny orinasa vahiny, lasa Aro (Assurances Réassurances Omnibranches) ny anarany, ny taona 1975. Maro ny zava-bita tao anatin’izay 50 taona izay. Raha ny vokatra ara-bola, ny taona 2024, nahatratra 194,3 miliara Ar ny vola no­kirakiraina, nahitana fitomboana 8,28%, raha oharina ny taona 2023. Nitombo 9,36% ny fiantohana nataon’ny mpan­­jifa. Nitentina 15,6 miliara Ar ny vola niditra ny taona 2024, nitombo 40,3% raha oharina ny taona 2023. Nam­piakatra ny renivola madiodion’ny orinasa ho 398,9 miliara Ar izany (+13,7%). Tao anatin’ izay 50 taona izay, manodidina ny 500 000 ny olona efa nisitraka ny tolotry ny Aro. Mi­isa 29 ny masoivohon’ny Tra­nom-piantohana Aro ma­ne­rana ny Nosy.
Maro ny tolotra omen’ny Aro. Eo ny fiantohana mahazatra, toy ny fiantohana ho an’ ny fiarakodia, ohatra. Fa misy koa ny lafiny hafa, toy ny fiantohana amin’ny fitsinjovana ny fiainana (assurance vie), ny fandehanana any ivelany, ny ho an’ny voina sa­mihafa (fa­nanana may, tratry ny halatra, sns). Ankoatra ny maha tranom-piantohana azy, mampiasa vola amin’ny lafiny samihafa ny Aro. Atao izany, entina hanatevenana ny ki­tapombola, hitsinjovana ny ha­nonerana ara-bola ny mpan­jifa.
Entanina hiditra amin’ny fiantohana

Nilaza ny tale jeneraly lefitra misahana ny tsena, Raha­malivony Njaka, fa hita ny maha voalohany ny orinasa Aro eo amin’ny sehatry ny fi­antohana eto Madagasikara. Notsipihiny fa tanjona ho an’ ny hoavy ny hampiakarana ny tahan’ny Malagasy hiditra amin’ny sehatry ny fiantohana satria mbola 1% amin’ny Vo­katra anatiny ankapobeny (PIB) raha 2% ny atsy Afrika.
Nanao fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ny Aro, omaly, teny amin’ny Ekar Ambatobe, nanamarihana izay faha-50 taon’ny orinasa izay.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: