« Salon de l’Habitat & Déstockage Pro 2025 »: Sehatra iray ho an’ny fanavaozana trano

Hotanterahina eny amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny 23 hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao, ny hetsika « salon de l’habitat & déstockage pro. » Sehatra natokana ho an’ny matihanina sy ny olon-tsotra mitady va­haolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano ity hatao ity, iarahan’ireo orinasa maro. Mikarakara izany ny Mada Vision. Amin’ny alalan’ity he­tsika ity, misy ny vina izay na­petraka, ny hampiroborobo­ana ireo vokatra sy tolotra amin’ny sehatry ny fanorenana, ny fanaka sy ny haingon-trano, indrindra amin’ny vidiny mirary. Hisy ihany koa ny se­hatra manokana, ny “Salon déstockage pro”, izay hanomezana fihenam-bidy hatrany amin’ny 10% ny entana, mba hahafahana misintona ny mpanjifa sy ho fanampiana ireo orinasa hanala entana ta­paka tahiry. Miisa 400 mahery eo ireo orinasa kasaina handray anjara amin’ity hetsika ity. Hampiavaka izany ihany koa ny fisian’ireo atrikasa, fampirantiana sy fanehoan-kevitra, hetsika an-tsehatra ary fotoana hihaonana sy hi­fampiresahana amin’ireo mpanao fanorenana, mpaninjara, mpampiditra entana, mpanao sary trano ary mpanjifa.

Fitia Randria

Partager sur: