Ankalazaina anio 26 jolay ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala honko. Mandray anjara amin’izany ny orinasa Bôndy, nizara jiro manazava lalana miisa 250 amin’ny faritra 4 iasany.
Misehatra amin’ny fiarovana sy ny fanarenana ny ala honko ny orinasa Bôndy, amin’ny alalan’ny tetikasa Ma Honko. Nambaran’ ny talen’ny Toekarena manga ao aminy, Rtoa Aigrette Lalao, fa mahatratra 40 000 ha ny velaran-tany honko harenina hatramin’ny taona 2030, any amin’ny faritra efatra (Melaky, Boeny, Sofia, Diana). Nanomboka ny taona 2023 no niasa ity orinasa ity, ka anisan’ny natao ny fikarakarana ny tany sy ny fambolena ny zana-kazo. Niditra tamin’ny fambolena zanaka honko avy eo, karazany enina amin’ireo valo misy eto Madagasikara. Mahatratra 2 000 ha ny ala honko efa narenina, nambolena zanaka honko miisa 15 tapitrisa. Naniry daholo ny 80% ny zana-kazo nambolena, ary nosoloina ny tsy naniry.
Fanatsarana ny velon-tena
Notsipihin’ny talen’ny Toekarena manga fa miara-miasa ny Bôndy sy ny vondron’ny mponina eny an-toerana amin’ ny fanatanterahana ny tetikasa Ma Honko. Manomboka any amin’ny fikarakarana ny tanin-janakazo, ny fambolena zana-kazo, ny fanoloana ny maty, ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny ala honko, sns. Eo am-pamolavolana ihany koa ny tetikasa mampidi-bola (AGR) ny mponina. Tsy atao ambanin-javatra izany, satria manodidina ny 2 tapitrisa ny mponina mivelona amin’ny ala honko. Koa, miantraika amin’ izy ireo ny fahasimban’ny ala honko, satria efa miaina ny vokatry ny fiovan’ny toetr’ andro rahateo ny mponina.
Hitondra fampandrosoana maharitra ho an’ny mponina amorontsiraka manamorona ny ala honko ny fanatsarana ny velon-tenan’izy ireo.
Amin’izao fankalazana ny Andron’ny ala honko izao, nametraka jiro miisa 250, manazava ny tanàna ny Bôndy. Voakasik’izany ny faritra 4 iasany, ahitana fokontany 62, anaty kaominina 24.
Njaka Andriantefiarinesy




