Taxi-Owayzz : Ampiasana niomerika ny famandrihana

Mivoatra ny fampiasana ny teknolojia niomerika amin’ny tontolon’ny fitaterana. Nampahafantarina ny 23 jolay teo, teny amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) Anosy, ny Tawi-Owayzz, rindran’asa amin’ny alalan’ny finday (application). Fitaovana vaovao ahafahan’ny mpandeha iraisam-pirenena migadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, misafidy sy mamandrika fitaterana taxi ara-dalàna mialoha. Fantatra avy hatrany ny saran-dalana aloa arakaraka ny toerana alehan’ny mpandeha, ka aloa amin’ny alalan’ny fomba niomerika azo antoka.
Tanteraka ity tetikasa ity, vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fiombonan’ny kaoperativa Taxi ara-dalàna Ivato (UCOTI), ny orinasa Ravinala Airports ary ny Fintech Vanilla Pay International. Tanjona ny hanatsarana, ny hanamorana ny fandraisana ireo mpitsidika sy hanamafisana ny fandrindrana ny sehatry ny fitaterana eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato Antananarivo.
Dingana lehibe amin’ny fivoaran’ny tontolo niomerika ho an’ny daholobe eto Madagasikara ny Taxi-Owayzz. Mampi­tombo ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ihany koa sady hanehoana ny maha matihanina ny mpamily.

Njaka A.

Partager sur: