Nitohy tany Momperabe, distrika Maintirano, ny fanentanana ny mpitrandraka madinika harena an-kibon’ny tany, ny 24 jolay teo. Tanjona, ny hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna. Nampahafantarina ny lalàna, ny zon’ny mpitrandraka, ny teknika fitrandrahana sy ny fanajana ny kalitao. Tsy azo atao ny mampiasa zaza tsy ampy taona.
Miasa andro aman’alina ny mpiasa amin’ny fanarenana ny lalana eto an-dRenivohitra. Voakasik’izany ny ampahany eny amin’ny fihodinana Tsimbazaza hatrany Ankadilalana, ny manodidina ny fidirana eny amin’ny hopitaly Befelatanana. Toraka izany koa ny arabe eny Andavamamba mankany Ampasika.
Nisokatra ny 24 jolay teo tany Mahajanga ny « Tsenan’ny asa tanana », andiany faharoa. Miisa
40 ny tranoheva mandray anjara, ahitana ny mpanao taozavatra any an-toerana sy ivelan’i Mahajanga. Manatontosa azy ny Gescod sy ny Vondrona eoropeana (UE). Hita mandritra ity tsenabe ity ny vokatra vitan’ireo mpiofana nametraka ny marika « Maroloko ».




