Natao kaontinanta mpanondrana akora fototra hatrany i Afrika hatramin’izay, indrindra ny lafiny fambolena sy ny harena ambanin’ny tany. Hanova izany no anisan’ny tena hifantohana nananganana ny Tsenam-paritra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc).
Amin’izao hanatanterahana ny fihaonana an-tampony, andiany faha-8, eto Madagasikara izao, omen-danja manokana ny hetsika «Herinandron’ny indostrian’ny Sadc», natomboka, omaly, hatramin’ny 1 aogositra 2025. Notsipihin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa Bruno, omaly, fa tanjona lavitra ezaka ny haha kaontinanta indostrialy an’i Afrika amin’ny taona 2063, ka hihena ny fahantrana. Satria, maoteran’ny fampandrosoana ny indostria. Ho an’ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), Rasamimanana Tiana, «hatao mpandray anjara ny sehatra tsy miankina, fa tsy mpitazana».
Lohahevitra noraisina ny hoe «fampiroboroboana ny indostria, ny fanovana ny rafi-pamokarana ary ny tetezamita mankany amin’ny angovo azo havaozina mba hisian’ny Sadc afaka miatrika ny zava-misy».
Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina
Anisan’ny hodinihina mandritra ny fivoriana ny fifandraisan’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo ary ny indostrialy. Hojerena ny rohim-pihariana amin’ny akora ambanin’ny tany saro-pady mba hisian’ny tetezamita mankany amin’ny angovo azo havaozina andraisan’ny rehetra anjara aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika. Hodinihina ny fampidirana ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny rohim-pihariana isam-paritra. Eo koa ny fanafoanana ny sakana amin’ny lafiny haba, hampalalaka ny fifanakalozam-barotra eo amin’ireo firenena 16 mpikambana.
Nohamafisin’ny sekretera mpanatanteraka lefitry ny Sadc, Angele Makumbo N’Dumba, fa hisy ny fifanarahana iraisana hatao, aorian’ity hetsika ity. Mifototra amin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina entina hampandrosoana ny indostria, ny ambanin’ny tany, ny angovo maitso, ny sehatry ny fanafody, sns izany.
Njaka Andriantefiarinesy




