Mbola foto-tsakafo tsy afaka miala amin’ ny fiainan’ny Malagasy ny vary. Nahitana filatsahana ny vidin’izany eny an-tsena, araka ny fidinanana ifotony teny Antanimena.
Anisan’ireo entana andavanandro ahitana fiovam-bidy ny vary. Araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ny tsena andavanandro iray, teo Antanimena, nahitana fihenana eo ho eo amin’ny 150 Ariary ny vidin’izany, amin’izao fotoana fiakaran’ny vary izao. Nanamafy izany ny ramatoa mpivarotra iray eny an-toerana. Amidin’izy ireo 2 700 Ar ny iray kilaon’ny vary stock, ary 750 Ariary ny iray kapoaka.
Tsiahivina fa natao 2 900 Ar isaky ny kilao izany teo aloha ary jifaina amin’ny vidiny 900 Ariary ny iray kapoaka tamin’izany fotoana izany, araka ny fikarohana natao.
Eo amin’ny 3500 Ar kosa ny vidin’ny vary gasy, ary 1 050 Ariary eo ny iray kapoaka. Tsara ny mampahatsiahy fa efa nahatratra tany amin’ny 3 800 Ariary ny kilaon’izany teo aloha kely teo, ary vidiana 1200 Ar ny iray kapoaka.
“Raha tamin’ity vanim-potoanan’ny fiakaran’ny vary ity aloha, azo lazaina tanteraka fa tena nilamina ny resaka vary. Tsy mbola misy ny olana hatramin’izao, ary mahatsapa izahay fa mba tena nihena ny vidin’izany”, hoy ny mpiantsehatra amin’ny fivarotana iray, eo Antanimena ihany. Nitovy tamin’io ihany koa ny filatsahan’ny vidin’ny vary “Riz de lux”, izay lasa 3 000 Ariary ny iray kilao ary alaina 1 000 Ariary ny iray kapoaka.
Andrasana indray izay mety ho fiovan’izany, amin’ny vanim-potoam-pamokarana manaraka eo.

150 000 Ar ny iray gony amin’ny vary gasy
Ankoatra izay, nilaza ihany ity mpivaro-bary ity fa alaina amin’ny vidin’ny 150 000 Ar ny iray gony amin’ireo vary gasy. Eo amin’ny 125 000 Ar kosa ny fanjifana ny iray gony amin’ny vary stock. “Izahay moa rehefa maka entana, indraindray ety amin’ny manodidina ihany, ary misy fotoana eny Anosibe. Ny fakanay ny vary stock izao, dimy arivo sy roa alina sy iray hetsy”, raha ny nambaran’ity ramatoa ity hatrany.
Mandeha ny vary stock
Raha ny fanazavana nataon’ity vehivavy mpivarotra iray ity, vary tena mandeha eo amin’ny tsenan’izy ireo ny vary stock sy ny riz de lux. Anton’ izany ny fisian’ireo mpivaro-bary sy hani-masaka ary hotely eo amin’ny manodidina. “Ny vary tena mandeha eto aminay izao, dia ireny vary stock sy riz de lux ireny. Mahalafo iray gony sy tapany amin’izany eo izahay isan’andro. Ireo mpanao hotely eto amin’ny manodidina moa no tena maka vary sy manjifa izany eto aminay. Izahay rahateo koa mbola voasokajy ao anatin’ireo lazaina hoe mponin’ ny tanàna iva”. Tenin’ity mpanao “épicerie” ity ihany.
Somary mahalana kosa ny fandehanan’ny vary gasy eo amin’ny tsenan’izy ireo, noho ny vidin’izany mbola tsy zakan’ny Malagasy maro eto an-dRenivohitra.
Nanatontosa :
Fitia Randria




