Harena ny zanaka ka mila kolokoloina ny vatana mba ho salama. Anisan’ny aretina mpahazo ny mpivady ny fahamombana noho ny antony maro eo amin’ny fomba fiaina. Tsy ny vehivavy ihany fa ny lehilahy koa dia mety ho momba. Araka ny nambaran’ny dokotera Rakotonindrina ao amin’ny Centre médical Claym etsy Alakamisy Fenoarivo, samy 50% ny fisehony eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ho an’ny vehivavy, anisan’ny antony mahatonga ny fahamombana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, « clamydia », ohatra. Ny tsy fahatomombanan’ny fihary atodinaina (ovaires), ny fahatsentsenan’ny « trompe de Fallope » izay lalan’ny tsirinaina, ny fisiana holatra amin’ny tranon-jaza, ny fanaovana fanatanjahantena mafy loatra ka mahatonga ny fadimbolana mikorontana, ny fiovaovan’ny lanja sy ny habe, ny faharovitana na tsy fahatomombanan’ny vozon’ny tranon-jaza noho ny fanalan-jaza…
Fa ho an’ny lehilahy kosa, anisan’ny mahatonga fahamombana ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana (désordre hormonal), ny fifohana sigara be loatra, ny tsy fahasalaman’ny vihy noho ny hafanana diso ambony loatra Eo ihany koa ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo.
Ho fitsinjovana ny mpiara-belona hatrany, tsy sasatra ny manentana ny rehetra ny tomponandraikitra ao amin’ny Claym amin’ny tsy fanaovana dokotera tena fa hanatona toeram-pitsaboana hatrany raha tojo tsy fahasalamana. « Aleo misoroka toy izay mitsabo », hoy hatrany izy ireo.
Andry F.




