Hotanterahina eny amin’ny Centre de conférence international (CCI) Ivato, ny 23 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, ny hetsika « Salon de l’habitat & déstockage pro ». Sehatra iray natokana ho an’ny matihanina sy ny olon-tsotra mitady vahaolana amin’ny fanorenana sy fanatsarana trano, izay iarahan’ireo orinasa maro mampiranty. Mpitsidika maherin’ny roa alina no andrasana ho tonga eny an-toerana amin’io fotoana io, ary tsara ny mampahafantatra fa 400 ny tranoheva ho hita eny an-toerana, mandritra ny hetsika.
Araka ny fanazavana azo tamin’ireo mpikarakara, MadaVision, efa nisokatra nanomboka omaly ny fisoratana anarana ka hahazo fihenam-bidy 15 % amin’ny hofan’ny tranoheva ireo misoratra anarana hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao. Ankoatra izay, nampahafantarina omaly, tetsy Antanimena, ihany koa ny dingana tsy maintsy harahin’ireo mpandray anjara amin’izany. Amin’ny alalan’ity hetsika ity, misy ny vina izay napetraka dia ny hampiroboroboana ireo vokatra sy tolotra amin’ny sehatry ny fanorenana, ny fanaka sy ny haingon-trano, indrindra amin’ny vidiny mirary.
Ankoatra izay, hisy ihany koa ny sehatra manokana, ny “Salon déstockage pro”, izay hanomezana fihenam-bidy hatrany amin’ny 10% ny entana mba hahafahana misintona ny mpanjifa sy ho fanampiana ireo orinasa hanala entana tapaka tahiry.
F.R




