“SIW 2025”: Andrin’ny indostria ny fambolena sy ny fizahantany

Tafiditra ao anatin’ny lohahevitry ny Herinandron’ny indostrian’ny Sadc (SIW 2025), ny lafiny fambolena sy fizahantany. Mifameno ireo sehatra ireo hampandrosoana ny indostria.

Tena ilain’ny indostria ny akora fototra avy amin’ny fambolena. Namela­be­latra ny anjara toeran’ny seha-pamokarana amin’ny fampandrosoana ny indostria aty amin’ny faritry ny Sadc, ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry, ao anatin’ny “SIW 2025”. Nohamafisiny, fa « ho an’i Madagasikara, ny fambolena sy ny fiompiana no fototra iorenan’ny toekarena, ahafahana miatrika ny fanamby ara-tsakafo sy ara-toekarena ». Vina napetraka ny fanovana tanteraka ny fomba fa­mokarana hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fampitomboana ny vokatra. Ha­mafisina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fandraisana anjara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Paikady hanatanterahana ireo ny fanohanana sy ny fa­no­fanana ny tantsaha. Hapa­ritaka ny teknika maoderina sy ny fampiasana ny niomerika. Hatsangana ny banky na ny rafitra famatsiam-bola ho an’ ny famokarana. Hampirisihina ny tanora handraharaha ara-pamokarana. Havondrona anaty kaoperativa ny mpamokatra ahafahana mamatsy fi­taovana maoderina. Hapetra­ka ny faritra filamatra ary tohanana ny fambolena biolojika.

Indostria maharitra

Manana ny anjara toerany koa ny fizahantany sy ny asa tanana. Nohazavain’ny minisitra Dewa Viviane, fa manabe voa mba hisian’ny indostria maharitra aty amin’ny faritry ny Sadc ireo sehatra roa ireo. Tanteraka izany satria hanova ny tontolo toekarena sy hitondra fampandrosoana ao ana­tin’ny tsenam-paritra. Satria, hiroborobo ny fizahantany ara-toekarena amin’ny alalan’ ny fivezivezen’ny mpandraharaha. Mampiroborobo ny se­ha­try ny taozavatra mampiavaka isaky ny firenena mpikambana ny fividianan’ny mpizahatany ny vokatry ny asa tanana, sady miteraka asa ho an’ny mpamokatra any ifo­tony.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: