Mois : juillet 2025

Cercle Mess Fiadanana: Atrikasa fanavaozana ny sata mifehy ny miaramila

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny Cercle Mess Fiadanana, ny 29 jolay 2025 teo, ny atrikasa mahakasika ny fanavaozana ny sata ankapobeny mifehy ny miaramila. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Sekre­­tera jeneralin’ny minisiteran’ny Foaloalindahy, ny amiraly Assany Bemarivo Jeannot, nisolo tena ny minisitry ny Foaloalindahy. Nam­baran’ity manamboninahitra ity fa […]

Kick Boxing-Analamanga: Nitombo ny mpandray anjara

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja kick-boxing. Nitombo ny isan’ny mpandray anjara ary niakatra ihany koa ny lentan’ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny ligy. Ady miisa 69 no nitranga nandritra ny iray andro ary “classe A” ny […]

Fanafihana eny amin’ny RN2 : Jiolahy valo naiditra ao Ambalatavoahangy

Ravan’ny zandary ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana teny amin’ny lalam-pirenena faharoa. Anjakan’ny asan-jiolahy mahery vaika eo anelanelan’i Brickaville An­tsapanana, lalam-pirenena fa­haroa sy Amboditavolo, lalam-pirenena faha-11 A, mihazo an’i Vatomandry tato ho ato. Lasibatr’ireo andian-jiolahy ireo ny taksiborosy sy kamiao, hatramin’ny mpandraharaha. Noho izany, nanao ezaka hampandriana fahalemana ny zandary ka nanao […]

FIVAPOVA : Nosokafana ny zaikabe andiany fahefatra

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Toamasina, omaly, ny zaikabe Fivapova, andiany fahefatra. Efa tonga any avokoa ireo mpizaika maherin’ny 3 000 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Talohan’ny fisokafana tamin’ny fomba ofisialy, nisy ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de Police Rakotoarimanana Herilala, sy Ramatoa vadiny, Rakotoarimanana Faniry, filoham-boninahitry […]