Mois : juillet 2025

vaovao tambatra

Tsy mahazo mihoatra ny 44 taonina ny lanja ambony indrindra azon’ny fiara mpitatitra entina amin’ny lalam-pirenena eto Madagasikara. Tsy ny fiara rehetra anefa no afaka mitondra izany, fa miankina amin’ny vavan-kodiarana (essieux). Misy ny tetezana asiana takela-by mamaritra ny lanja azo zakaina. Mila fahazoan-dalana manokana (convoi exceptionnel) ny mihoatra io […]

Rallye des Industries: Manampy ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny asa

Mitombo ny herijikan’ireo tanora mandray anjara amin’ ny “Rallye des Industries”. No­tanterahina ny sabotsy 5 jolay, tao amin’ny auditorium Havoria Anosy, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana. Mpia­natra sy orinasa miara-misalahy no nandrafitra ireo “binômes” folo nifaninana ta­min’ny fahaiza-mamorona sy fahakingana mba hahazo toerana amin’ny dingana ma­naraka. Tanjon’ny fifaninanana ny hanampiana […]

Fitiavan-tena tafahoatra

  Tsy hita be ihany ilay zava-miseho eny anivon’ny fiarahamonina malagasy amin’izao fotoana izao. Toa mandeha tsy mandeha izany ilay andavanandron’ny mponina, raha ato indray mitopy maso. Velona tsy amin’ny ahiahy ny sarababem-bahoaka. Marina mihitsy ilay tenin’ ny Filohan’ny Repoblika hoe miaina anaty fahasamba­rana ny Malagasy na eo aza ny […]

Harena an-kibon’ny tany vaventy: Takina ny mangarahara amin’ny petra-bola

Tsy maintsy mampahafantatra ny karazan-ketra aloany ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny vaventy. Mila fantatra koa ny olona manana petra-bola 5% fara-fahakeliny. Hamafisina ny ady amin’ ny kolikoly eo amin’ny sehatry ny fitrandra­hana harena an-kibon’ny tany vaventy. Natao, sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny fitantanana foibe ny hetra (DGI) sy […]

TSELATRA

Hiakatra fitsarana anio, i Da-Willy ilay lehilahy nanolan-jazavavy 6 taona. Andrasan’ny maro fatratra ny fampiharana ny sazy sahaza azy amin’io lehilahy mpanolana izay nanetsina fotaka tamin’ny sofin’ilay zazavavy io. Fito lahy nosamborin’ny polisy tao Antsiranana Renivohitra, afakomaly. Tsy ampy taona ny ankamaroan’ ireo mpanao herisetra an-dalambe sady mampihoroho ny mpiray […]