Mois : juillet 2025

TARATRY ny KANTO

“Jazz Friday”’, miaraka amin’i Mitahiry sy i Dô Mee. Hatao ny zoma 11 jolay izao io, ao amin’ny Arbo­retum Ankorondrano, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Anjoria hitetezan’ireto mpanakanto ireto ireo hira nanamarika ny jazz, na vahiny na malagasy izany. Hisokatra ho an’ny mpankafy ny sehatra, na eo amin’ny fihirana na […]

Taom-pianarana 2025-2026: Ankilabao hatrany ny teny malagasy

Hiditra amin’ny taom-pianarana 2025-2026… Mbola tsy tafapetraka ny fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-mampianatra. Tsy mbola misy didy na lalana na hitsivolana, sns, milaza izany. Ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina milaza fa « tsy misy firenena handroso avy amin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa hoenti-manabe […]

25 taona an-tsehatra : Hisedra indray ny Lapan’ny fanatanjahantena i Tovo J’Hay

Nanaraka hatrany ve ireo mpankafy? Ho voavaly izay aorian’ny seho goavana homanin’i Tovo J’Hay. Ny azo antoka aloha, mbola tena milomano anatin’ny mozika izy. Ny taona 2009 no niaka-tsehatra irery farany tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina i Tovo J’Hay. Toy ny vao omaly ho an’ireo tena mpankafy, na dia efa […]

Menaka, Jirama, fahapoizinana… : Mitaky ny fahamarinana ny KFM/Cnoe

Zo fototra ny vaovao marina, fototry ny demokrasia sy ny fampandrosoana ny firenena, araka ny fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, ma­noloana ny olana sosialy eto amin’ny firenena. Lohatenin’ izany “Noana fahamarinana ny olom-pirenena”. Nam­baran’izy ireo fa mahasoa ny mpitondra fanjakana sy ny firenena ny famakiana batsilana ny zava-misy marina, mba […]

Faly ny mifamono

  Tena mahavariana isika Malagasy ireto ! Hita taratra fa tsy miray hina ho amin’ny tsara intsony. Mibirioka ho any amin’ny fifamonoana faobe mihitsy. Ny tena zava-doza, ny samy madinika ihany no mifamotika. Tena tsy misy indrafo fa manao izay tiana atao na hahafaty ny hafa aza. Manao antsirambina ilay […]