Mois : juillet 2025

Fampianarana ambony : Ilaina ny fametrahana drafitrasa hirosoana amin’ny « digitalisation »

22% ny tahan’ny fampiasana ny internet eto Madagasikara, araka ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena ny taona 2022. Tsy mitovy ny fisitrahana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana azo hikirakirana izany ho an’ny tanàn-dehibe sy any ambanivohitra. «Mitondra inona ho an’ny oniversite ny tontolo nomerika ? ». Io ny lohahevitra nitondrana ny adihevitra nisokatra ho […]

Kaominina Ampitatafika : Nanome sitraka ho an’ireo mpiadina sangany tamin’ny CEPE

Nisitraka loka avy amin’ny kaominina Ampitatafika ireo ankizy sangany tamin’ny fahafahana fanadinana CEPE teny an-toerana, ny 7 jolay lasa teo. Notolorana vola mitentina 1 tapitrisa Ariary avy ireo ankizy nahazo ny laharana voalohany. Mpia­natra avy amin’ny sekoly Adventiste ny iray, ary avy amin’ny EPP Ankaditany Ampitatafika ny iray. Naoty 10/10 […]

Youthconnekt 2025: Hitohy any Antsiranana indray ny hetsika

Taorian’ny faritr’i Fianarantsoa, hitohy any amin’ny faritr’i Antsiranana indray, ny hetsika lehibe ho an’ny tanora “Youth Connekt 2025”. Araka ny vaovao voaray, hotanterahina manomboka ny 12 jolay ho avy izao, ao amin’ny Gymnase Soafeno, ity hetsika ity. Marihina fa miaraka misalaha amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena […]

Fahafatesan’i Lolody : «Efa nandindona azy», hoy ny vadiny sy ny reniny 

Anisan’ireo kintan’ny baolina kitra malagasy, nisongadina tany Seychelles, i Lolody. Nodimandry ny 4 jolay lasa teo moa ny tenany, nisy ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo akaiky azy, mahakasika ny nahafatesany. “Marobe” , anarana fiantsoana an’Itompo­kolahy, Malagasy mpanao baolina kitra, 31 taona, mpilaravinahitra tao Seychelles, zanak’i Toamasina avy ao Fenoarivo atsinanana. […]

Hainahandro : Tafatsangana ny « Solidarité mignon »

Tafiditra ao anatin’ny ko­lontsaina sy zavakanto mampiavaka ny toerana na faritra na firenena iray ny hainahandro. Fantatra fa tafatsangana ny fikambanan’ny mpianatra hainahadro « Solidarité mig­non ». Sehatra ampivondronana ireo mpianatra nandalo tamin’ny fanofanana nomen’ny Chef Tsiry Razafima­monjy. Ankoatra ny fampianarana sy fifanakalozana amin’ny fahaiza-mahandro, eo amin’ny tsirairay, napetraka ho zava-dehibe ny […]