Mois : juillet 2025

Korontana amin’ny baolina kitra : “Ny mpikamban’ny FMF no fototry ny olana”, hoy i Tôta

Namaky bantsilana ny tsy fetezana eo amin’ny fitantanana ny fifaninanam-pirenena amin’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao, Rakotoarimanana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club des Elites de Football Madagascar (CFEM). Misy mitsabaka andraikitra ireo mpitantana eo anivon’ny federasionina malagasy (FMF), hoy izy. Nivoaka tamin’ny fahanginany, Rakotoari­ma­nana Henintsoa (Tôta), filohan’ny Club de Football Elite […]

Rafi-piarahamonina sy fanabeazana: Nampifandraisana ny tontolo iainana sy ny fomba fampianarana

Miezaka ny mitady vahaolana eo amin’ ny sehatry ny fanabeazana sy ny fiarovana ny tontolo iainana ireo tomponandraikitra any Toamasina. Manao hetsika maro izy ireo. Mizotra makany amin’ny mety ho loza mitatao ny firenena, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Samy milaza ny olana ianjadiany avokoa ireo tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly miankina […]

INDRAY MIJERY

Hetsika « Fijery hafa » ao Analanjirofo. Nisi­traka fampiofanana maimaimpoana tamin’ny sehatra isan-karazany ireo tanora miisa 1170 ho fampidirana azy ireo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana. Voaporofo, araka izany, fa miroso amin’ny fampandrosoana iombonana sy lovainjafy i Analanjirofo miaraka amin’ny fanohanan’ny minisitera. Tohana ara-pilana fototra ao Arivonimamo. Nomena tantsoroka miendrika fehezan-karona […]

Kaominina Andriba Maevatanana : Maniry hitokana fokontany ireo avy any Androy

Manana faniriana ny hitokana fokontany mihitsy ireo mponina avy any Androy mila ravinahitra sy mivelona any Maevatanana, kaominina An­driba, fokontany Maro­arano. Maro ny tsindrihazolena mianjady aminay ataon’ny sefo fokontany aty an-toerana ka tsara raha mitokana fokotany izahay hisian’ny firindran’ny fiarahamonina, hoy ireo mponina. Manamafy ny fangata­han’­izy ireo ny filoha-paritry ny […]

Menaka Roots : Tsy nahazo fahazoan-dalana tamin’ny minisitera

Nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, mahakasika ilay menaka Roots izay tsy manana fahazoan-dalana hohanina. Tsy hita anatin’ny tahirin-kevitra mahakasika ireo sakafo fihinana azo antoka sy nandalo fitiliana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny marika an’io menaka io. Tsy nandalo velively teo anivon’ny fitaleavana misahana ny fanaraha-maso sy ny kalitaon’ireo karazan-tsakafo […]