Raha tsy mahay dia fanina tanteraka amin’ny fomba fivoizana vaovao eto Madagasikara. Samy manao izay mahametimety azy avokoa, indrindra fa ireo misora-tena ho mpanao gazety sy mpisintona lakolosy. Samy milalao ny saim-bahoaka sy toe-pon’ny tsirairay. Tsy hita be ihany izay tokony ho inoana. Ny tena mpanao gazety heverina ho […]
Mois : juillet 2025
Raharaha Ambohimalaza : Mpianakavy nifamosavy !
Mazava ny tenin’ny filohan’ny Repoblika, fa mpianakavy nifamosavy noho ny disadisam-pitiavana no nahatonga ilay raharaha Ambohimalaza. Zavamaniry misy poizina no nampiasaina namonoana ireo mpilanona. “Zava-maniry Ramiary sy Beladôme no nafangaron’ilay nahavanon-doza nanapoizinana ny sakafo nafahafatesana olona 32 teny Ambohimalaza”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. “Olana ara-pitiavana, lonilonin’ny mpianakavy no […]
TSELATRA
Roa vavy mpangarom-paosy voasambotry ny fokonolona teny Analakely, Boriborintany voalohany, omaly. Nasaina namerimberina tamin’ny feo avo “Tsy hangarom-paosy intsony izahay”, izy roa vavy. Taksiborosy levon’ny afo tao Brickaville, ny alin’ny alarobia 23 jolay teo. Hanatanteraka ny diany voalohany hampitohy an’Antananarivo sy Toamasina io fiara io kinanjo tratry ny olana teknika […]
Taksiborosy voatafika teny amin’ny RN7: Mpandeha dimy naratra, voaroba ny 4 tapitrisa Ar
Norobain’ny jiolahy maherin’ny folo nitondra basy sy famaky ny taksiborosy iray tao Soanatao, fokontany Ambohimanarivo, kaominina Manandroy, distrikan’Ambohimahasoa, omaly maraina. Taksiborosy mitondra mpandeha avy any Ambovombe Androy nikasa hihazo an’Antananarivo io lasibatra io. Nosakanan’ireo olon-dratsy tamin’ny hazo lehibe teo afoavoan-dalana ny fiara. Novakin’ireo mpandroba ny fitaratry ny fiara. Tsy afa-nihemotra […]
Ankilimalinike : Hiaro ny vahoaka ny « Voromahery »
Handray an-tanana ny fiarovana ny mponina any amin’ny kaominina Ankilimalinike, distrika Toliara II ny «Voromahery ». Antony, manoloana ny korontana nataon’ny andian’olona avy any Tsiafanoke sy Benetse any amin’ny fari-pitrandrahan’ny orinasa Base Toliara. Nijoro ny 20 jolay teo ny vondrona Voromahery, iarahan’ny mponina anaty fokontany 13 sy ny mpitandro filaminana, hitandroana […]




