Mois : juillet 2025

TSELATRA

Lehilahy mpangarom-paosy sady mpanao sinto-mahery voasambotry ny polisy teny Anosy, ny alatsinainy 21 jolay teo. Nifanenjehana io olon-dratsy avy nanao ny asa ratsiny io. Tratra izy ka nosavaina. Finday halatra miisa efatra sarona teny aminy. Nentina natao famotorana teny anivon’ny kaomisarian’ny polisy ity farany. Taksiborosy mampitohy an’i Mahajanga sy Antananarivo, […]

Nandroba Cash point: Gadra nandositra ny iray tamin’ireo jiolahy

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy nandroba tompona Cash point tao Mananara Avaratra, ny 20 jolay teo. Nitrangana fanafihana niharo fandratrana olona miisa roa tao an-toerana, ny harivan’ny 5 jolay, tamin’ny 7 ora sy sasany. Nodarohan’ ireo tsy valahara izy mivady ary norobainy ny vola mitetina 8 tapitrisa Ar mahery. Norao­fin’ireo […]

Raharaha Ambohimalaza : Nalaina am-bavany ny fianakavian’ireo maty

Olona roa, anisan’ny fianakavian’ireo 31 namoy ny ainy, momba ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, nohainoin’ny fampanoavana, teny amin’ny Lapam-pitsarana Anosy, omaly maraina. Nalaina am-bavany teo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana ireo olona izay nametraka fitoriana hiampangana an’i Fenohasina tompom-pety sy ny reniny. Ireo fianakavian’ny maty ireo izay mitaky ny hamoahana ny […]

Nanondraka anana vao maraina : Rangaha maty tao anaty dobo

Nivoaka ny trano vao mangiran-dratsy hanondraka voly ny raim-pianakaviana iray. Vatana mangatsiaka hany sisa nalain’ny fianakaviany tao anaty dobo, teny Soavina Atsimondrano, omaly. Raim-pianakaviana, 54 taona, namoy ny ainy tampoka ka hita faty tao anaty dobo, teny amin’ny fokontany Ambihivy, kaominina ambanivohitra Soavina, distrika Atsimondrano, omaly. “Hanondraka fambolena vao maraina […]