Mois : juillet 2025

Toliara: Nahomby ny fihaonambem-paritra ara-toekarena

Resy lahatra ny rehetra fa hampiroborobo ny seha-pihariana hafa, ny fisian’ny orinasa vaventy mitrandaka harena an-kibon’ny tany. Anisan’izany ny tetikasa Base Toliara. Tapitra ny 18 jolay teo ny Fihaonambem-paritra ara-toekarena (FER), an­diany faharoa tany Toliara. Lohahevitra noraisina ny hoe « Fampandrosoana ny faritra Atsimo Andrefana, fampiroboroboana sy fanamafisana ny fifandraisana ara-toekarena […]

Ramanoelina Herilaza na i Lesabotsy : Mpilalaon’ny Makis fahiny, efa niaraka nilalao baolina tamin-dry Bolida sy Voavy Paulin tao amin’ny Ajesaia

Maro amin’ireo Mala­gasy mpilalao tao amin’ny ekipam-pirenena fahiny, misehatra amin’ny taranja ara-panatanjahan­tena hafa tany am-piandohana. Anisan’ ireo efa nilalao baolina kitra, tao amin’ny Ajesaia, Ramanoelina Herilaza na i Lesa­botsy, Malagasy mpilalao tao aminn’ny Makis, fahiny.   Raha mbola lalao Rugby no resahina, tsy mbola lefy laza izany anarana hoe: « Lesabotsy » […]

Andiany MANAMPI : Polisy 80 mianadahy nahavita fianianana

Tontosa omaly tolakandro, tao amin’ny Lapan’ny fitsarana Anosy, ny lanonam-pitsarana fandraisana ny fianianana amin’ny maha mpikaroka fandikan-dalàna ireo Commissaire de police sy Officier de police miisa 80 mianadahy avy amin’ny andiany Manampi. Marihina fa Commissaire de police ny 30, raha Officier de police kosa ny 50. Natao izao fianianana izao […]

Fanatanjahantena – sampandraharaham-panjakana : Pao-droa ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina

Tsy nataon’ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Ran­dria­fanomezantsoa Alain, ambanin-javatra ny fanohanana ny ekipan’ny kaominina, Ascut, taranja baolina kitra. Nandritra ny famaranana teo amin’ny fifaninanana fanatanjahantena anivon’ny sampandraharaham-panjakana “Asief”, tao amin’ny Kianja manara-penitra Barikadimy, ny sabotsy teo, no nahitana an’izany. Izy ben’ny Tanàna mihitsy no nitarika ny mpiasan’ny kaominina ho tonga maro […]

RN1: Mpitondra bisikileta maty voafaokan’ny fiara

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, tao amin’ny fokontany Ambohipeno, kaominina Arivonimamo II, ny alahady hariva teo. Nandeha mafy ny fiara iray ka voafaoka tampoka tamin’izany, io lehilahy nitondra bisikileta io. Niakarapoka tamin’ny tany izy, vaky ra ary tsy nahatsiaro tena. Nifamonjen’ny nanatri-maso ilay […]