Mois : juillet 2025

Judo: Nahazo tsodrano tamin’ny MJS i Laura

Toy ny taranja hafa, anisan’ny nisitraka fanohanana avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny taranja Judo, tamin’ny alalan-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, izay hiatrika ny fifaninanana “Grand Slam d’Oulanbator” any Mongolie, ny 26 jolay ho avy izao. Hisy ihany koa ny fiofanana mandritra ny hateloana ataon’i Laura aorian’ny fifaninanana, ny 28, 29 […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina ny 23 jolay izao, any Nizeria, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja karate, ny fivoriambe arahina fifidianana, eo anivon’ny Ufak (Union Federation African of Karate). Anisan’ny handray anjara amin’ny fifidianana ny filo­han’ny federasionina ny Karate-do Malagasy, Rate­finanahary Emile, izay efa any an-toerana. Nahita fahombiazana nandritra ny lalao […]

CUA : Hikarakara fialamboly ho an’ny ankizy

Nambaran’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra (CUA), Ramanantsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, omaly, fa hanomboka amin’ny alarobia ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Alarobia, ny hetsika « CUA mampilalao kilonga». Natokana ho an’ny ankizy rehetra, 4-17 taona. Taranja telo no hatao dia ny baolina kitra, Rugby ary ny atletisma. Tanjona […]

Tsipy kanetibe – «Mondiaux Jeunes» : Fantatra ireo 4 mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Navoakan’ny Federation Sport-boule malagasy (FSBM), ny faran’ny herinandro teo, ny anaran’ireo ankizy efatra mianadahy hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy zandriny Juniors. Sarotra ny fifantenana satria samy sangany ireo nitiliana. Nifarana ny alahady lasa teo, teto Antananarivo, ny fampivondronana nifantenana ireo mpilalao zandriny, tsipy kanetibe […]

Fiaraha-miasa amin’ny GIZ : Mitaky mangarahara hatrany

Manamafy ny fitantanana mangarahara amin’ny fiaraha-miasa ny “Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusam­menarbeit – GIZ”, Alemana, amin’i Madagasikara. Niompana amin’izany fangaraharana izany ny fampahafantarana ny GIZ tamina faritra maro teto Madagasikara notanterahina ny herinandro teo. Anisan’ny nasongadina tamin’izany ny fametrahana ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny amin’ny fomba fanao. Tafiditra ao anatin’izany […]