Famonoam-balala : 133 225 ha ny velaran-tany norarahana fanafody

Natao ny 29 jolay teo, teto Antananarivo, ny atrikasa fandravonana ny asa vitan’ny tetikasa Mionjo, miompana amin’ny ady famonoam-balala nandritra ny taom-piasana 2021-2022. Mitotaly 133 225 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody, ka nampiasana fa­nafody mahazatra ny 43 800 ha. Nahatratra 85 350 ha ny velaran-tany norarahana fanafody entina manakana ny fitom­boan’ny andiam-balala. Mirefy 4 075 ha ny velaran-tany nampiasana fanafody avy amin’ny akora voajanahary na zavamaniry.
Ho an’ny fotoana lany, maherin’ny 150 ora ny fitsirihana natao ana habakabaka. Nahatratra 400 ora mahery ny asa fitsaboana natao. Raha aravona, fantatra fa tsara ny vokatry ny tetikasa Mionjo ta­min’ity sehatry ny famonoam-balala ity. Efa natsangana ny fepetra manaja ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
Nohazavain’ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), Ramindo Gaëtan, fa « mbola mitohy ny ady amin’ ny valala ho fiantohana ny lafiny ara-tsakafo sy ny fanamafi­sana ny sehatry ny fambolena sy ny famokarana ».
Miara-miombon’antoka manohana ny tetikasa Mionjo amin’ny ezaka iadiana amin’ ny valala ny minisitera Minae, ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM), ny FAO.
Marihina fa mitohy ihany koa ny asa famonoam-balala ho an’ny taom-piasana 2024-2025 amn’izao fotoana izao.

Njaka A.

Partager sur: