Ortana : Nivoaka ny boky soridia tsidi-bohitra eto Analamanga

Tena ilain’ny mpizahatany ny mahafantatra ny toerana tsidihiny. Manamora ny diany ny boky soridia, toy ny fahita any ivelany.

Nahavita dingana lehibe ny Ofisim-paritry ny fi­zahantany Analamanga (Ortana), amin’izao 15 taona niorenany izao. Nampahafan­tarina omaly ny fivoahan’ny boky soridia, ahitana 128 pejy. Mirakitra ny toerana manan-danja tsara tsidihina eto amin’ ny faritra Analamanga. Natao ho an’ny rehetra toy ireo mpan­kafy miara-dia hitety vohitra an-tongotra, na amin’ny bisikileta, na koa mitaingina sovaly. Marihina fa efa mikarakara hetsika miara-dia an-taona maro ny Ortana, ilay antsoina hoe « tsidi-bohitra ». Naha­tratra 10 000 ny mpizahatany eto an-toerana nanao dia an-tongotra, nitety vohitra maro manan-tantara teto Anala­manga, iarahana amin’ny mpitaridia matihanina ao amin’ny Ortana. Natao entina hampiroboroboana ny fizahantany anatiny manodidina an’Anta­na­narivo Renivohitra.
Miisa 49 ny soridia azo andehanana an-tongotra, hita ao anatin’ity boky ity. Maha­kasika kaominina ambanivohitra 27, fokontany 303, ao anatin’ny distrika 8 eto Anala­manga. Tombanana ho maherin’ny 1,5 miliara Ar isan-taona ny fandaniam-bolan’ny mpizahatany.
Maherin’ny 1 000 km ny lalana azo aleha, ka efa ahi­tana famantarana manoro ny lalana ny 495 km. Karazany telo ny soridia azo isafidia­nana. Voalohany, fitetezana tendrombohitra « trek », mirefy 182 km misy dingana sivy. Faharoa, ny soridia mitsanga­tsangana, karazany 23. Faha­telo, soridia mahazatra misy karazany 14.

Matihanina

Nilaza ny minisitry ny Fiza­hantany sy ny asa tanana (MTA), Rtoa Viviane Dewa, omaly, fa « tsapa fa miditra amin’ny tena matihanina ny Ortana amin’izao ezaka vitany izao ». Ho an’ny tale mpanatanteraka (DE) ny Ortana, Razafinavalona Harimisa :
« fanamby manaraka ny hanitarana ny soridia any amin’ny faritra manodidina an’Anala­manga. Efa natao ny taona 2024 ny mandeha bisikileta mankany Itasy. Eo am-pametrahana ny famantarana amin’ ity taona 2025 ity ».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: