Nijery ifotony ny fanarenana ny lalam-pirenena faha-4 ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, sy ny mpiara-miasa aminy, omaly 31 jolay. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) famatsiambolan’ny Banky iraisam-pirenena ny asa atao, izay mizara telo. Voalohany, ny Ankazobe-Antsiafabositra, mirefy 63,90 km. Ampahany faharoa, ny Antsiafabositra- Ambalanjanakomby (65,20 km) ary fahatelo, ny Andranofasika-Mahajanga, mirefy 66,65 km).
Miisa efatra ny orinasa manatanteraka ny asa. Nanomboka tany amin’ny ampahany voalohany, ataon’ny orinasa CRBC ny fitsidihana. Nanome toromarika ny minisitra ny hanafaingana ny asa, ka hamitana ny 20 km ho rakofana godirao mialoha ny faran’ity taona 2025 ity. Nangatahiny koa ny orinasa hanolotra drafitrasa mazava, mahakasika ny fanatanterahana ny asa. Atao laharam-pahamehana ny fanarenana ny faritra tena ratsy.
Nampahatsiahiviny fa fanamby napetraky ny Filoham-pirenena ny hamerenana amin’ny laoniny ny lalam-pirenena lehibe manerana an’i Madagasikara. Voakasiky ny fandaharanasa PDDR ny RN4, ny RN7, ny RN10 ary ny RN12A.
Njaka A.




