Hetsika fiarovana ny sokatra. Hatao ny 4 sy 5 aogositra ho avy izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika « SOS Sokake Cup 2025 ». Fotoana ahitana hetsika ara-ekolojika sy ara-panatanjahantena hanentanana ny fiarovana ny sokatra sy ny karazan-javamananaina mampiavaka an’i Madagasikara.
Manodidina ny 16t ny trondro andrasana
amin’ny dobon-trondro miisa 6, any Ambodivoananto Vatomandry. Mahatratra 2 000 m2 ny velaran’ny dobo hanatanterahana izany. Tombanana hamokatra zana-trondro miisa 1 500 000 isa. Nijery ifotony ny fotodrafitrasa ny minisitry ny Jon (MPEB), Mahantante Paubert, ny 31 jolay teo.
Azo ampiharina tsara ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) amin’ny fitantanana ny ladoany. Anisan’ny navoitran’ny tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy, Zafivanona Lainkana izany, nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena « Borders in Globalization Summer Institute (BGSI)”, natao ny 28 jolay teo, tany Kanada.




