Hita manerana ny firenena afrikanina miisa 14 ny Fondation Airtel Africa. Tanjony ny hanatsarana ny fari-piainan’ireo mponina miisa 10 tapitrisa hatramin’ny taona 2030. Miisa 4 ny sehatra voakasik’izany : ny fampiasana ny tontolo ara-bola, ny fanabeazana, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Misy ny fandaharanasa Adopt-A-School, hanatanterahana azy, hanohanana sekoly miisa 50 hatramin’ny taona 2026. Fiaraha-miasa amin’ny Unicef, mitentina 57 tapitrisa dolara. Miisa 2 176 ny sekoly nasiana internet, azo ampiasaina maimaimpoana. Maherin’ny 2 tapitrisa ny mpianatra misitraka izany, sy mpampianatra 35 000.
Ho an’i Madagasikara, misy ny fiaraha-miasa amin’ny oniversite sy ny sekolim-panjakana, tohanan’ny Unicef. Miisa 86 ny sekoly efa manana internet ho an’ny mpianatra 51 000 sy mpampianatra 1 300. Natao hampiofanana ny tanora sy vehivavy avy amin’ny fianakaviana marefo, hahay hifehy ny fampiasana ny niomerika, hiomanany amin’ny sehatry ny asa sy hahazo ny tolotry ny banky, izany.
Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Fondation Airtel ny fikajiana ny tontolo iainana, toy ny fanodinana ho vokatra hafa indray ny fako elektronika, ny fampiasana ny angovo maitso, ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana, ny ONG ary ny sehatra tsy miankina hanatanterahana ireo.
Njaka A.




