Miditra amin’ny tontolo niomerika ny sehatry ny harena ambanin’ny tany. Misy ny pejy site web ho an’ny rafitra Eiti, ary voadika amin’ny teny anglisy sy sinoa ny lalàna vaovao.
Manohana ny fampiroboroboana ny niomerika ny masoivoho amerikanina eto amintsika. Nampahafantarina, omaly, teny amin’ny MBC Ivato, ny pejy site web an’ny Rafitra iraisam-pirenena hametrahana ny fitantanana mangarahara ny fitrandrahana ambanin’ny tany vaventy (Eiti) eto Madagasikara. Vovonana ahafahan’ireo orinasa vaventy mpitrandraka manao ny fanambarana mivantana amin’ny internet (télédéclaration) ny lafiny ara-ketra sy ny haba any amin’ny rafi-panjakana mahefa.
Natolotra tamin’ity fotoana ity koa ny boky mirakitra ny lalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon’ny tany, izay nohavaozina tamin’ny taona 2023, nadika amin’ny teny anglisy sy sinoa. Nilaza ny tale mpanatanteraka (DE) ny Eiti, Marc Sergio Clerc, fa ny firenena miteny anglisy no voalohany, ary faharoa ny miteny sinoa, amin’ireo orinasa na mpandraharaha mitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.
Niakatra 44% ny fanondranana
Nohamafisin’ny ambasadaoro amerikanina, Rtoa Pierangelo Claire, fa mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny mangarahara amin’ ny indostrian’ny harena ambanin’ny tany, fampiasana ny teknolojia niomerika ny masoivohon’i Etazonia. Hanampy betsaka amin’ny fanomanana ny fanoavana tatitry ny Eiti. Nomarihiny fa avy amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ny 4,5% ny vokatra anatiny ankapobeny (PIB) eto Madagasikara, tato anatin’ny 10 taona farany. Tafakatra 44% ny anjaran’ity sehatra ity amin’ ny fanondranana any ivelany ny taona 2022, raha 23% ny taona 2020.
Nampahatsiahiviny ny hafatra nomeny nandritra ny diany tany Toliara farany teo, nilazany, fa tsy maintsy manaja ny lalàna amerikanina sy ny an’ny firenena iasany ny orinasa amerikanina.
Njaka Andriantefiarinesy




