Toy ny isam-bolana, niova indray ny vidin-tsolika ho an’ny mpanjifa. Nihena 200 Ar isaky ny litatra ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala, raha nidina 170 Ar ny solitany fandrehitra, nanomboka omaly 1 aogositra. Lasa 5 120 Ar ny litatry ny solika SP 95 raha 5 320 Ar/l ny volana jolay. Nidina ho 4 700 Ar/l ny gazoala raha 4 900 Ar/l teo aloha. Lasa 3 210 Ar/l ny solika fandrehitra raha 3 380 Ar/l teo aloha.
Nohazavain’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), Olivier Jean Baptiste, fa vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena tamin’ny volana jona ity ampiharina amin’izao volana aogositra izao ity. Antony, roa volana ny fe-potoana hahatongavan’ny solika any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ka izay tahiry tonga tamin’ny volana jolay teo indray no hampiharina amin’ny volana aogositra. Nomarihiny fa nidina ny vidin-tsolika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena tamin’ny jona, ary niakatra kely indray tamin’ny jolay, noho ny lafiny toe-draharaha maneran-tany. Vinavinaina fa mety hiakatra kely indray ve ny amin’ny aogositra? Tsiahivina fa tsy mihoatra ny 200 Ar isaky ny litatra ny fanovana ny vidin-tsolika, araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena.
Njaka A.




