Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc” (SIW), ny fitsidihana orinasa. Anisan’izany ny fidinana ifotony tany amin’ny ozinina Star Ambatolampy, ny 1 aogositra teo. Fotoana nahitan’ny delegasionin’ny Sadc, miisa 50, ny firoboroboan’ny indostria eto amintsika sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Nampisehoana ny fampivoarana ny indostria mifandray amin’ny fanodinana ny vokatra eto an-toerana sy ny hoavin’ity sehatra ity ao amin’ny faritry ny Sadc.
Anisan’ireo ozinina 5 lehibe an’ny Star ny ao Ambatolampy, mamokatra zava-pisotro 1 943 000 Hl isan-taona, miantoka ny 1/3 ny vokatra rehetra vokarin’ny orinasa. Vina ato ho ato ny hamokarana rano fisotro anaty tavoahangy vera. Manana mari-pamantarana iraisam-pirenena ara-pahasalamana (FSSC22000 V6), ara-kalitao (ISO 9001), ara-pahasalamana (ISO 45001) sy fiarovana ary ara-tontolo iainana (ISO 14001) ny Star.
Nipoa-tsatroka ny orinasa ny lehiben’ny delegasionina, ny Sekretera mpanatanteraka lefitry ny Sadc, Angele Makombo N’Tumba. Nilazany fa azo atao ohatra tsara aty amin’ny faritra Sadc ny ataon’ny Star.
Njaka A.




