VAOVAO TAMBATRA

Miisa 24 ny dobon-trondro any Paradisakely na Shalom Land, any Niherenana Vatomandry, toerana fanabeazana ankizy sahirana avy any ambanivohitra. Entina hanohanana ireo ankizy ny fidiram-bola avy amin’ny fiompiana trondro. Vinavinaina hamokatra trondro 34 taonina isaky ny tsingerim-pamokarana ireto dobo ireto.

Mampiasa ny teknolojia faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny ladoany malagasy.Lohahevitra nohazavain’ny tale jeneraly Zafivanona Lainkana io, nandritra ny fivoriambe Big Summer Institute tany Kanada, ny 28 jolay teo. Fotoana nanamafisana ny fahaiza-manao sy nifanakalozana traikefa.

Miisa 77 ny tanora nivoaka tao amin’ny Foibe fanofanana asa tanana (CFA), ny 1 aogositra teo. Maro ny sehatra narahin’izy ireo nandritra ny 10 volana, toy ny zaitra sy petakofehy, ny fanodinana ny tandrok’omby sy /na hoditra, ny tenona sy rary, ny fikojakojana ny fantson-drano (plomberie), sns.

Partager sur: