PFL 2026 : Niakatra ho 24 ny mpifaninana

Raha ny fanazavana avy amin’ny filohan’ny Fe­de­rasiona malagasin’ny baolina kitra, Randriamanam­pisoa Alfred, afakomaly, tetsy Ambodivona, dia fantatra fa hanomboka ny 13 desambra ho avy izao ny fifaninanana nasionaly, diviziona voalohany, na “Pureplay Football League (PFL 2026)”. Nahitana fanovana koa ny fifaninanam-pirenena amin’ity ka ao anatin’izany ny fiakaran’ny mpandray anjara ho 24. Ankoatra izany, eo ihany koa ny fizaran’ny vondrona ho lasa efatra raha toa ka roa izany teo aloha. Hisy ny kaonferansy Avaratra sy Atsimo ary Atsinanana sy Andrefana. Marihina fa ahitana ekipa enina avy mifanintsana anatin’ireo kaonferansy efatra ireo. Miisa valo eo, izany, ireo klioba hiakatra ao amin’ny diviziona voalohany. Ireo efatra, ekipa mendrika isam-bondrona, no hiakatra dingana faharoa, izay ho vondrona tokana ka hanao ny «Poule des As». Hampiavaka ny amin’ity koa ny fisian’ny PFL ho an’ny vehivavy, raha ny filazan’ity lehiben’ny baolina kitra vaovao ity. Anisan’ny fepetra notakin’ny Fifa ny fisian’izy io ka ireo D1, sokajy lahy sy vavy, eto Madagasikara. Nanamafy ny filohan’ny FMF fa amin’ity taom-pilalaovana ity, horaisin’izy ireo ny fifaninanana aoriana kely ao.

Fitia Randria

Partager sur: