Fanindroany amin’izao i Zambie no handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety « Fiba 3X3 Africa Cup ». Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 3 ka hatramin’ny 6 desambra ho avy izao.
Araka ny hita tao amin’ny tambanjotran-tseraseran’ny Malagasy Rugby, hanomboka ny alahady 14 febroary 2027 ny fifaninanam-pirenena « XXL Top 12 ». Ankoatra izany, fantatra fa efa tapitra amin’ity volana novambra ity ny taom-piasan’ireo komity mpitantana eo anivon’ity federasiona ity ka andrasan’ny rehetra ny fifidianana.
Namoaka fanambarana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra, ny 22 novambra lasa teo, fa tsy misy fankatoavana amin’ny fampiofanana mpanazatra nasionaly hahazoana “certificate federal B (U17) sy C (U15) ary D (U13). Ny tetikasa mifandraika amin’izany dia mahazo fankatoavana avy amin’ny Fifa sy ny Caf avokoa.





