Foaran’ny findramam-bola: Fampiroboroboana ny fampiasam-bola

Hatao ny 30 sy ny 31 aogo­sitra ho avy izao, eny amin’ny Novotel Alarobia, ny hetsika Foaran’ny findramam-bola sy ny fampiasam-bola (Foire aux crédits et investissements). Tanjona ny hanapariahana amin’ny daholobe hananana vahaolana amin’ny lafiny ara-bola, sady handraisana anjara amin’ny tontolon’ny fandraharahana ho an’ny rehetra. Mika­rakara ity andiany voalohany ity ny Assist&Co, ka mpano­hana ofisialy ny Yas. Namba­ran’ny mpikarakara fa natao ny Foaran’ny fampindramam-bola sy ny fampiasam-bola, satria maro ny Malagasy tsy mahalala ny vaovao manodi­dina ireo sehatra ireo. Koa, ilaina ny manokatra sehatra toy izao ahafahan’ny rehetra mihaona mivantana sy mitady ny filana mifanandrify amin’ny tsirairay. Ahitana ny mpiasa tsotra, ny mpandraharaha, ny rafitra ara-bola isan-tsokajiny. Fotoana ihany koa hampirisihina ny rehetra hiditra amin’ny sehatry ny findramam-bola sy ny fampiasam-bola, ahalalana ny tombontsoa azo aminy. Anisan’ny hampirisihina ma­nokana ny tanora.
Hita eny an-toerana ny tranoheva maro, ahitana ny banky, ny sampandraharaha ara-bola madinika (IMF), ny orinasa misehatra ara-bola, ny mpampiroborobo amin’ny sehatry ny tany, ny trano, ny mpanafatra sy mpaninjara fiarakodia vaovao, …, izay hanome tolotra nohamoraina, toy ny fahafahana mandoa tsikelikely, na koa mampindram-bola, sns.

Njaka A.

Partager sur: